Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Antsiranana, Faritra Diana
Fandraisana amin’ny fomba ofisialy ny Sambo ATSANTSA V

 

Noraisina sy notokan’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tamin’ny fomba ofisialy ny
Sambo iray haingam-pandeha ANTSANTSA V, natokana hanara-maso ny fandikan-dalàna eo amin’ny Jono sy hiarovana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara anio 21 Jona 2024 tao Antsiranana, Faritra Diana.

Marihana fa tafiditra amin’ny ezaka tsaratondra (Bonne gouvernance) izao hetsika izao izay fanomezana avy amin’ny Governemanta Japoney.
Manana halavana 13m latsaka kely, ahitana milina YAMAHA M12, « Moteur hors bord 900 CV », manana hafainganam-pandeha 100 Km/h ary mandany solika eo amin’ny 250 à 300 l/h eo ho eo.
Ao anatin’ny programa « Appui sectoriel » sy ny loharanom-bola manokan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga no hamatsy solika ity sambo haingam-pandeha ity izay efa misy toe-bola 1 miliara Ariary natokana hoan’izany efa vonona.

Marihana fa miisa 03 amin’izao ny sambo miasa ao amin’ny Faritra Diana satria dia efa misy sambo miisa 02 miasa any amin’ireo Nosy manodidina ankoatra ity iray eto Antsiranana ity.

Natao hampiasan’ny Fanjakana Malagasy ity sambo ity fa tsy hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga irery ihany, porofon’izany ny « Marine Nationale » no mitondra azy.