Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy
Tsy namela nandalo fotsiny ny Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga …
Tsy namela nandalo fotsiny ny Fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga fa dia anisan’ireo Ministera feno fahavitriana nazoto nandray anjara feno hatrany hatramin’ny lanonam-panokafana ofisialy fiatombohan’ny Fankalazana ny faha 02 Jona 2025, nanatanterahana ny diam-piaraha-mientana notanterahin’ny Andrimpanjakana sy Ministera nanasongadina ny Faritra 24, teo amin’ny Arabe’ny Fahaleovantena Analakely (Parvis). Anio 04 Jona 2025 ihany koa dia mbola tonga mavitrika nandray anjara feno tamin’ny Diaben’ny Fahaleovantena niarahana tamin’ireo Andrimpanjakana sy Ministera maro, niatomboka teo Ambohijatovo hatrany amin’ny Kianjan’i Barea Mahamasina, ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga notarihin’Atoa Ministra MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert notronin’Atoa Talen’ny Kabinetra sy Atoa Sekretera Jeneraly niampy ireo Tale isan-tsokajiny ary ireo mpiara-miasa maro. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny « Match de gala football » nifanandrinan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo Andrimpanjakana tamin’ny MDF ihany koa Atoa Ministra. NY FITIAVAN-TANINDRAZANA, MITARIKA FANDROSOANA #MPEB #Fahaleovantena #Madagasikara #Diabe
Fokontany Andemademaka, CR Manakambahiny Est, Distrikan’ Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro
Akon’ny fiofanana fiompiana trondro.
Faly ireo olona efa niandrandra fiofanana fiompiana trondro efa ela, fa tontosa androany izany. Ity toerana ity no sisiny atsinana an’ny Faritra Alaotra Mangoro manomamorina ny ala atsinanana. Fiompiana tilapia andobo no tena nifantohana teto, ary miankina amin’ny sakafo misy eo an-toerana dia votry sy mangahazo izany. Tsy adino koa ny fisafidiana toerana azo hompiana, sy ny anavahana ny lahy sy vavy amin’ny trondro. Miisa 17 no nanatrika izany. Hisaorana manokana ny « Conservation Internationale » izay hanome tosika zanatrondro sy sakafo ho an’ireo nanaraka izao fiofanana. #MPEB #DRPEB #Alaotra_Mangoro
Ampefy, Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy
Atrikasa Fankatoavana ny Drafi-Panajariana ny Jono Itasy (PAP Itasy)
Notanterahina tao Ampefy, ao amin’ny Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy, ny 03 Jona 2025, ny atrikasa fankatoavana ny Drafi-Panajariana ny Jono ho an’ny farihin’Itasy (PAP Itasy). Io hetsika io dia vokatry ny dingana maromaro anisan’izany ny fanadihadiana lalina natao tamin’ireo mpanjono ny mpisehatra isan-tsokajiny eo anivon’ny fokontany ary ny fakan-kevitra betsaka teo amin’ny kaominina sy ny faritra mba hahazoana antoka fa mirindra amin’ny zava-misy eny ifotony ny drafi-panajariana. Ny tanjona lehibe amin’ity drafi-panajariana ity dia ny hiantohana ny fitantanana maharitra ny harena anaty rano ao amin’ny farihin’Itasy. Io drafitra io dia mikendry ny hampifandanja ny fitrandrahana ny harena voajanahary amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, mba hahazoan’ny taranaka ankehitriny sy ho avy tombony avy amin’ireo harena ireo. Ankoatr’izay ihany koa dia mikatsaka ny hampiroborobo ny fampandrosoana lovainjafy eo amin’ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Nisy fandraisan’anjara mavitrika avy amin’ireo mpisehatra isan-karazany tamin’ny fanatontosana ity atrikasa ity. Nanatrika ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana Anaty Rano, miaraka amin’ny ekipany avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena Manga (MPEB) foibe Nanampy tamin’ny fanohanana ny hetsika koa ny Governoran’ny Faritra Itasy, ny ekipa avy amin’ny Fitalevam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy,ny DRPEB Itasy, ary ireo avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Rano, Fidiovana ary Fanadiovana. Nisy ihany koa ny solontenan’ny kaominina sy fokontany voakasika, ny Vondrona Iombonan’ny Sehatra sy ny Tontolo Iainana (VISTI), ny solontenan’ny mpanjono, ny mpivarotra trondro, ary ny mpisehatra hafa toy ny avy amin’ny fandaharanasa RINDRA sy ny mpanamahay MAMIA. #MPEB #DRPEB_Itasy #DREDD #PAP_Itasy #MAMIA #RINDRA
Beloha, Faritra Androy
Fampiofanana ireo Relais Communautaires miisa 21 mahakasika « Ny fomba fiatrehana ny vokatry ny fiovan’ny totrandro amin’ny asa fanjonoana Ao Androy »
Fampiofanana ireo Relais Communautaires miisa 21 mahakasika « Ny fomba fiatrehana ny vokatry ny fiovan’ny totrandro amin’ny asa fanjonoana Ao Androy » nandritra ny telo andro, ny faha 29, 30,31 May 2025 tao Beloha, Faritra Androy. Ny fifandraisany toetrandro sy ny asa fanjonoana ary ny biby anaty ranomasina, ireo loza mety hateraky ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny toerana iainany hazan-dranomasina, amin’ny tanàna amorontsiraka, ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny asa fanjonoana sy ny fiainany mpanjono mivantana, ary ireo fandraisana andraikitra rehetra no nivohitra nadritra ny fiofanana izay nomen’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Androy. Teo ihany koa ny fanamafisana ny fahaza-manao amin’ny fampiasana ny « Panneau SAP » sy ny fampiasana ara-drariny ireo salotra vonjy aina. Izao dia tanteraka noho ny fiarahamiasa avy amin’ny #Fikambanana_TOMPY izay vatsiany #PAM vola.
DISTRIKAN’NY IKALAMAVONY,FARITRA MATSIATRA AMBONY
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO
Resy lahatra ny vahoakan’ny Ikalamavony Tanteraka soamatsara ny fampiofanana fiompiana trondro maimaimpoana ho an’ny vahoakan’ny Ikalamavony Anio 2 Jona 2025 izay niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Avy amin’ny resaka Fampianarana no hiavian’ny fahalalana hoy izy ka izany indrindra no anton’izao fampiofanana izao entina hampitàna izany fahalalana izany ho an’ireo izay Vonona hiditra amin’ity sehatry ny fiompiana trondro ity Ary Tsy maintsy misy ny fenitra izay arahinana Raha hiompy trondro Isika anatin’ny fohy. Eo ihany koa ny fihenan’ny vokatra ao an-toerana ka entina hampiroboroboana sy hampitomboana ireo vokatra Nifantoka tanteraka ny vahoakan’ny Ikalamavony izay resy lahatra fa sehampihariana tena mampidibola no mamorona asa ho an’ny Tanora ny fiompiana trondro. Karazam-piompiana trondro 2 no Mety eto Ikalamavony dia Anisan’izany fiompiana trondro an-dobo sy ny fiompiana trondro an-tanimbary. Hirariana arak’izany fa hitombo ny olona hisehatra amin’ny fiompiana trondro eto Ikalamavony Ary hizara izany traikefa izany maimaimpoana ho an’ireo olona satria nomena maimaimpona hoy andriamatoa Minisitra . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #FIOMPIANA_TONDRO #HAUTE_MATSIATRA #IKALAMAVONY
𝐒𝐚𝐫𝐨𝐛𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐈𝐟𝐚𝐧𝐣𝐚, 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚𝐧’𝐢 𝐌𝐢𝐚𝐫𝐢𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨,𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐈𝐭𝐚𝐬𝐲
𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨
Tontosa ny faha 31 Mey 2025 teo tao amin’ny lapan’ny tanànan’i Sarobaratra Ifanja, ao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy, ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro, notanterahan’ny ekipa avy amin’ny Fitaleavana misahana ny famokarana ny anaty rano (DA) sy ny Fitaleavanam-Paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Itasy. Ity fampiofanana ity dia natao hanohanana sy hampiroborobo ny fambolena sy fiompiana trondro an-tanimbary ho fampandrosoana ny toekarena eo an-toerana. Miisa 25 ireo mpiofana, izay tena liana sy vonona tanteraka hirotsaka amin’ny fiompiana trondro an-tanimbary ary naneho ny fahavononany hampihatra ny fahalalana azo mandritra ny fiofanana. Ny tanjona dia ny hampiasa ny rano azo fehezina mandavan-taona, izay mety indrindra ho an’ny fiompiana trondro, mba hiantohana ny vokatra tsy tapaka sy ny fampitomboana ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Namporisika ny mpiofana ny tompon’andraikitra mba hampiasa ny fahalalana azo sy hizara izany amin’ny mpiara-monina aminy mba hiroborobo bebe kokoa ity sehatra ity. #MPEB #DRPEB_Itasy #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
DISTRIKAN’NY IKALAMAVONY ,FARITRA MATSIATRA AMBONY
FANDROTSAHANA ZANA-TRONDRO TETO MASIAMBOAY
Zana-trondro avy amin’ny fikambanan’ny mpanjono manodidina ny 1000 isa eo ho eo no narotsaka Teto Masiamboay androany izay Notanterahina nandritra ny fitsidihan’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert teny an-toerana. Izao no atao dia hita fa Miha-mihena ireo zana-trondro ao anaty rano Raha nambaran’ireo mpanjono an-toerana kanefa tsy tokony Hisy izany trondro lany tamingana izany fa na misy ny tsy fanaraha-dalàna na misy ireo biby mihinana azy . Nohamafisina arak’izany ny fanentanana ireo olona Mba hanaja an-tsakany sy an-davany ny didi amam-dalana mifehy ny Jono fa indrindra ny tsy fampiasana ny lay misy odimoka amin’ny resaka fanjonoana mba hananana fanjonoana. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #IKALAMAVONY #MATSIATRA_AMBONY
Toamasina, Faritra Atsinanana
Akon’ny fampiroboroboana ny asa Manga
Ho famporisihana ireo mpandray anjara miisa 57 tonga nanatrika ny fampiofanana fiompiana trondro an-dobo tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atsinanana, ny faha 30 May 2025, mba hiditra lalindalina sy hanohy ary hampiatra ny fiofanana noharatovina dia nampanantena ny hanome zanatrondro mamaim-poana hoan’ireo telo voalohany mahavita dobo aorian’izao fiofanana izao ny Fitaleavana. #MPEB #DRPEBAtsinanana #Fiofanana #FiompianaTrondro #Zanatrondro
KAOMININA ISORANA , DISTRIKAN’NY ISANDRA , FARITRA MATSIATRA AMBONY
FITSIDIHANA HIARAHANA AMIN’A/TOA MINISITRA MAHATANTE PAUBERT
Miezaka mampivelatra sy mampiroboro ny sehatry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny eto anivon’ny Ministera ka izany indrindra no hitetezana ireo kaominina sy Distrika manerana an’i Madagasikara. Izany Dia ahafahana mampiakatra hatrany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy trondro . Ho an’ny Distrikan’ny ISANDRA dia ahitana rano betsaka Ary irony pirina be irony no anisan’ny mampalaza azy, ho ezahina arak’izany ny hanaparitraka izany manerana an’i Madagasikara Hisy ny fitsidihana ny Dobo fiompiana izany eto an-toerana mandritra ity fitsidihana ity eo ihany koa ny fanomezana Toro-marika ho an’ireo izay efa miompy ahafahan’izy ireo miditra amin’ny matihanina kokoa . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #ISANDRA #ISORANA #FARITRA_MATSIATRA_AMBONY
Distrikan’ny Vohibato ,kaominina Alakamisy Itenina,Faritra Matsiatra Ambony
FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO
Tontosa soamatsara ihany koa ny fampiofanana fiompiana trondro Teto amin’ny Kaominina Alakamisy itenina izay niarahana tamin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert. Tonga nanatrika tao avokoa ireo olona isan-tsokajiny na Tanora na lahy na vavy na ireo renim-pianakaviana ihany koa izay manodidina 300 isa eo noho eo. Anisan’ny manana tombony ihany koa izy ireo nohon’ny fisian’ireo farihy sy tanimbary Ary rano betsaka ao an-toerana. Azon’izy ireo atao tsara arak’izany ny mamadika ireo farihy sy renirano ho lasa loharanombola amin’ny alalan’ny Fiompiana trondro. Nisy hatrany ny fanontaniana naraham-baliny taorian’ny fampiofanana Ary koa ny fampiharana izany eny an-kianja. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert #FIOMPIANA_TRONDRO #ALAKAMISY_ITENINA #MATSIATRA_AMBONY