Distrikan’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo
Fizarana Zana-trondro
Nandritra ny hetsika fizarana zana-trondro tao amin’ny Distrikan’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo izay natao ny faha 24 Mey 2025 teo dia nahazo tombony ireo mpiompy trondro izay efa nandray fampiofanana mialoha. Zana-trondro tilapia miisa 5 000, fantatra amin’ny kalitaony avo lenta, no natolotra tamin’ireo mpahazo tombony.
Tonga nanatrika izao ny Lehiben’ny Distrikan’i Vavatenina, ny Mpandrindra Faritra misahana ny Tsy Fifanjanan-tsakafo ao Analanjirofo, ary ny Tale Mparitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny faritra.
Ity hetsika ity dia tohana avy amin’ny tetikasa HAFA VELONTEGNA, izay vatsian’ny UNICEF vola. Ny tanjona lehibe dia ny hampiroborobo ny fihinanana trondro eo amin’ny vahoaka, satria ny trondro dia manome otrikaina tena ilaina ho an’ny vatantsika.
Nandritra ny lanonana, nanamafisana fa ny zana-trondro natolotra dia tsy vitan’ny hoe manampy amin’ny fanatsarana ny sakafo fa manampy koa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana. Ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia manohy manohana ny hetsika tahaka izao mba hiantohana fa ny fiompiana trondro dia sehatra iray maharitra sy mampidi-bola ho an’ny mpiompy ao Vavatenina sy ny manodidina.