« Echoes of Akio Foty »
Fifaninanana mahakasika Fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina andiany Voalohany.
Nontaterahina ny 26 Aprily 2025 ny lalao Famaranana ny « Art Oratoire » mahakasika ny #Fiarovana_ny_Ranomasina sy ny tontolo manodidina azy izay nomena ny anarana « Echoes of Akio Foty ». Fifaninanana izay nokarakarain’ny #Natiora_Defenders Teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB.
Tonga nanome voninahitra izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert (MPEB) , A/toa RAZAFINDRABE Rinah (DGGE MEDD).

Ny ranomasina no miantoka ny 25% farafahakeliny ny Rivotra izay hiainantsika , izy ihany koa no Anisan’ny miantoka betsaka ny #famoronana_asa , ny #fitanterana , ny #Sakafo_ara_pahasalamana Ary indrindra fa ny #toetra_Andro kanefa nohon’ny fisian’ny loto, ny fanjonoana miompampana ,ny fandikan-dalana sns dia mihasimba izany ka Mahafaly ny mahita ireo #Tanora mandray andraikitra Ary manolotena sahady amin’ny fanavotana izany tsindry mahazo ny ranomasina izany hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert.
Mamporisika ireo Tanora rehetra arak’izany ny tenany mba tsy hijanona ho mpijery fotsiny fa handray an-tanana ny fiarovana ny ranomasintsika .
Ny Teo anivon’ny Natiora Defenders ihany koa dia mampatsiahy hatrany fa ireo Tanora eto amintsika dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanomezana fahalalahana miteny ho azy ireo hisian’ny fanentanana maro sy fanatenana ho an’i Madagasikara.