faritra Atsimo Andrefana
๐
๐ข๐ณ๐๐ซ๐๐ง๐ ๐
๐ข๐ญ๐๐จ๐ฏ๐๐ง๐ ๐ก๐จ ๐๐งโ๐ข๐ซ๐๐จ ๐๐ฉ๐๐ง๐ฃ๐จ๐ง๐จ ๐๐จ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐
๐ข๐ค๐๐ฆ๐๐๐ง๐๐ง๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
Mitohy hatrany ny ezaka ho fampiroboroboana ny sehatry ny jono ho anโny faritra Atsimo Andrefana ka arkaโizany dia nisy ny fampitaovana ho anโireo mpanjono izay mivondrona ao anatinโny Fikambanana ZANADRIAKE ny faha 24 Jona 2025 teo, tao aminโny Fokontany Ambohitsabo, Kaominina Ambonivohitra Toliara .
Ity hetsika ity dia natao hanohanana sy hanatsarana ny fahafahanโny mpanjono mampitombo ny vokatra sy sy hampandrosoana ny asa fivelomanโizy ireo .Ireto avy ireo fitaovana natolotra taminโizany : Harato multifilaments, miisa 50 ; Tady (corde) laharana 6, miisa 75 ; Tady (corde) laharana 4 miisa 75 ary Plombs, 100 kg.
Ny Fikambanana ZANADRIAKE dia manohy ny adidy hanatsarana ny fari-piainanโny mpanjono ao aminโny faritra Toliara, aminโny alalanโny fanomezana fitaovana ilaina sy ny fanohanana ara-teknika.