FLM Vohijanahary Kaominina : Antsirabe I Distrika : Antsirabe I Faritra Vakinankaratra
Akon’ny fampiofanana fiompiana trondro.
Tontosa ny faha 28 Jona 2025 teo tao amin’ny FLM Vohijanahary, Kaominina Antsirabe I, Distrikan’i Antsirabe I, ao amin’ny Faritra Vakinankaratra ny andiany faharoa tamin’ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro izay natolotra manokana ho an’ny Fileovana Marikofeno. Ity fampiofanana ity dia nifantoka tamin’ny teknika fanatavezana karpa sy tilapia atao an-tanimbary, anaty dobo ary ivelan’ny tany. Ankoatra izany dia nisy ihany koa ny fizarana fahalalana momba ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny sehatry ny fiompiana trondro mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara.
Miisa 42 mianadahy ireo nandray anjara tamin’ity fampiofanana ity. Naneho ny fankasitrahana lehibe ny mpandray anjara tamin’ireo mpampiofana sy ny mpikarakara ary azo antoka fa hampitombo ny vokatra sy ny kalitaon’ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra ity fampiofanana ity ary hitondra fampandrosoana ara-toekarena.
Marihina fa ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa mitohy eo amin’ny DRPEB Vakinankaratra sy ny FAFAFI SPAM izay mbola manohy ny ezaka fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana trondro ao amin’ny faritra. Ny fiaraha-miasa toy izao dia manana tanjona ny hampitaovana ireo mpamboly sy mpandraharaha eo an-toerana ary hahazoana vokatra maharitra sy mahasoa.