Fokontany Andranomandevy, Fokontany Mandritsarahely, Kaominina Marosakoa, Distrikan’ Ambato Boeny sy Marovoay, Faritra Boeny
Mpiompy trondro miisa 15 avy ao amin’ny « Baie d’Ambaro District d’Ambilobe » no tonga nitsidika ireo mpiompy trondro izay nofanina niaraka tamin’ny Projet PATIMA
Mpiompy trondro miisa 15 avy ao amin’ny « Baie d’Ambaro District d’Ambilobe » no tonga nitsidika ireo mpiompy trondro izay nofanina niaraka tamin’ny Projet PATIMA taty amin’ny Faritra Boeny. Fitsidihana nentina indrindra ifampizarana traikefa mahakasika ny fiompiana trondro izay niarahan’izy ireo nanatanteraka tamin’ireo mpiara- miasa eo anivon’ny 𝐈𝐬𝐚 𝐀𝐠𝐫𝐢𝐛𝐮𝐬𝐢𝐧𝐞𝐬𝐬. Fitsidihana notohanan’ny 𝐖𝐖𝐅.
Hita sy tsapa fa tena afa-po tokoa ireto mpiompy ireto rehefa nanatanteraka ny fitsidihana satria nahita mivantana lafiny fiompiana maro ahafahan’izy ireo manatsara ny velontena fiompiana #LAOKA, izay efa nirosoan’izy ireo.
Nidina ifotony niaraka nanatanteraka ity fitsidihana ity moa ny solontena teo anivon’ny DRPEB Boeny sy ny Tale Mpanatanteraka ny CDA Mahajanga
#MPEB #DRPEB #CDA_Mahajanga #isa_agribusiness #mpiompy #fitsidihana