Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Andranoboka; Distrika Mahajanga II , Faritra Boeny
Fidinana ifotony nakana ny hetahetan’ireo vehivavy mpanjono mikasika ny fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny vokatra an-dranomasina
Tontosa ny 18 ka hatramin’ny 21 Jona 2025 teo tao amin’ny secteur Morahariva, Ambalatany, Amboanio, ary Antsaregy, ao amin’ny Kaominina Amboanary sy Andranoboka, Distrika Mahajanga II, Faritra Boeny ny fidinana ifotony izay nikendry ny hanangona ny hetahetan’ireo vehivavy mpanjono mikasika ny fanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo amin’ny alalan’ny fitrandrahana ny ny vokatra an-dranomasina.
Teboka roa lehibe no nisongadina nandritran’ny fitsidihana isan’izany ny fanohanana ara-pitaovana izay ilaina amin’ny asa mba hampitomboana ny vokatra sy hanamora ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina, eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao izay nambaran’izy ireo ihany ny maha zava-dehibe ny fampiofanana mba hanatsarana ny fahaizana ara-teknika, ny fitantanana ny vokatra ary ny fivarotana mba hahazoana tombony betsaka kokoa.
Ny fikambanana RENAFEP Madagascar no hanohana ireo vehivavy ireo amin’ny fananganana sy fanamafisana ny fikambanana mpanao asa tanana, ankoatra ny fanomezana fampiofanana isan-karazany mifanaraka amin’ny filan’izy ireo. Tonga nanatrika ity hetsika ity ny ekipa avy amin’ny DRPEB Boeny sy ny RENAFEP Madagascar ary ny FAO izay hitondra ny tan-tsoroka lehibe amin’ny famatsiam-bola sy ny fanohanana ara-teknika mba hahazoana antoka fa tanteraka tsara ireo tetikasa napetraka.
Tamin’io fotoana io ihany koa dia nisy ny fitsidihana ara-pomba natao tamin’ireo Ben’ny Tanàna ao amin’ny faritra voakasika mba hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hanamora izany.