Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Ambanivohitra Mariarano, Distrikan’i Mahajanga II Faritra Boeny
Fakan-kevitra momba ny fananganana Faritra Arovana Vaovao (NAP) an-tanety sy an-dranomasina

Ho fanamafisana ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny faritra izay hiarovana ny harena voajanahary ho an’ny taranaka ho avy dia notanterahina nandritra ny dimy andro ny 18 ka hatramin’ny 22 Jona 2025 teo tao amin’ny Fokontany Marosakoa, Kaominina Mariarano, Distrikan’i Mahajanga II, Faritra Boeny ny fakan-kevitra lehibe mahakasika ireo dingana hananganana ireo Faritra Arovana Vaovao na “NAP” an-tanety sy an-dranomasina.
Nandritra ny fakan-kevitra, ny fikambanan’ny mpanjono sy ny VOI (Vondrona Olona Ifotony) dia niara-nandray anjara tamin’ny fifampiresahana lalina mba handrafetana ny tetikasa ka lafin-javatra roa lehibe notapahina dia ny :
Fiarahana nanamafy ny fananganana ny NAP Nisy ny fifanarahana feno teo amin’ireo mpandray anjara rehetra momba ny filàna sy ny maha-zava-dehibe ny fametrahana faritra arovana vaovao izay ho fampiroboroboana ny fampiasana maharitra ny loharanon-karena.
Famaritana ny “noyau dur” sy ny fetra ivelan’ny NAP izay mikendry indrindra ny famaritana mazava ny faritra afovoany na “noyau dur,” izay ho faritra tena voaaro tanteraka sy ny faritra ivelany izay hamaritra ny fetra ankapoben’ny NAP.
Nandraisan’anjara tamin’ity hetsika ity ireo solontenan’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao an-toerana, ka anisan’izany ny Lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II ,ny Ben’ny tanana ao amin’ny Kaominina Mariarano , ny Solontena avy amin’ny DREDD (Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable) ary ny Solontena avy amin’ny DRPEB Boeny. Marihina fa ny fikambanana “ Impact Madagascar “ no nanohana ity hetsika ity.
#MPEB #DRPEB_Boeny #DREDD #NAP # Impact_Madagascar
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru