Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Ambanivohitra Tolohomiady, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe
Fitsidihana sy fanaraha-maso ny fiompiana trondro

Ny faha 05 Mai 2025 teo dia nidina ifotony tany amin’ny Fokontany Androtsy, Kaominina Ambanivohitra Tolohomiady, Distrikan’Ihosy, ao amin’ny Faritra Ihorombe ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) Ihorombe.
Ny tanjon’ity fitsidihana ity dia ny fanaraha-maso sy ny fanomezana tohana ara-teknika ho an’ny mpiompy trondro iray izay manana dobo fiompiana trondro miisa enina. Marihina fa ireo dobo ireo dia naorina tamin’ny “engins” avy amin’ny Faritra Ihorombe ny volana Septambra 2024 lasa ary ny Novambra 2024 kosa dia zanatrondro karpa miisa 2.400 sy tilapia miisa 1.000 no narotsaka tao anatin’ireo dobo ireo.
Na izany aza, dia misedra olana kely izy ireo ny amin’ny fitomboan’ny trondro satria tsy dia ampy ny sakafo omena azy ireo, ka niteraka fahatarana amin’ny fivoarany .Arak’izany dia nanome torohevitra sy tohana ara-teknika izy reo mba hamahana io olana io, anisan’izany ny fanatsarana ny fitantanana ny lafiny ara-tsakafo.
Ny fitsidihana toy izao dia manamafy fampiroboroboana sy fampandrosoana ny sehatry ny jono sy ny Toekarena manga ho tombontsoan’ny mponina.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru