Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Manambaro, Distrikan’ny Tolagnaro, Faritra Anosy
Fampiofanana fiompiana trondro an-dranomamy

Mitohy hatrany ny fampiofanana ny mponina amin’ny fiompiana trondro an-dranomamy ka ny teto amin’ny Kaominin’ny Manambaro, Distrikan’ny Tolagnaro no nisitraka izany ato amin’ny Faritra Anosy.
Ny faha 02 May 2025 no nanatanterahana izany tao amin’ny trano malalakin’ny koperativa Baie-rose tao Manambaro, izay Nahatratra 145 ny nandray ny fiofanana izay nahitana sokajin’olona maro samihafa, tanora sy olondehibe ary lahy sy vavy.
Nozaraina nandritra izany ireo teknikam-piompiana trondro an-tanimbary, anaty dobo sy ivelan’ny tany, ny famokarana zana-trondro Karpa sy Tilapia ary fanamboarana sakafo.
I Manambaro dia anisan’ny voalohany aty amin’ny Distrikan’ny Tolagnaro raha ny vokatra trondro an-dranomamy no resahina saingy hatreto dia mbola trondro nohazaina avy amin’ny dobo sy renirano voajanahary ary taorian’ny fiofanana dia maro no hirotsaka antsehatra avy hatrany amin’ny fiompiana trondro.
Ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anôsy no nanofana. Tonga nanome voninahitra ity fampiofanana ity ny Ben’ny tanana lefitra, ny Sekretera Jeneralin’ny Kaominina ary ny Talen’ny Kabinetrany.
eu-ua.org
kidstravel2.com
oren-sarmats.ru