Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, Antananarivo, Faritra Analamanga
Tsenaben’ny hazandrano andiany faha-05, Fanokafana amin’ny fomba ofisialy
Notanterahana nanomboka androany 02 Jolay 2025 ka haharitra 04 andro ny andiany faha-05 amin’ny Tsenaben’ny hazandrano na « Foires des produits halieutiques » etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena (Palais des sports) Mahamasina, hiarahana amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ny AMPA (Agence Malgache de Pêche et de l’Aquaculture).
Trano heva miisa 70 eo no mandray anjara amin’ity andiany faha-05 ity ahitana ireo mpisehatra rehetra amin’ity fihariana ity na an-dranomamy na an-dranomasina, mpivarotra, mpiompy, mpikirakira sakafo-trondro, fitaovana ilaina amin’ny fiompiana trondro sy ny jono, ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombona antoka ary ireo Koperativa manerana ny lafy valon’ny Nosy.
Vokatra maro samihafa ihany koa no hita eny an-toerana amin’ny vidiny sahaza ny rehetra na lena na maina.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampifanakaikezana ny mpamokatra sy ny mpivarotra ary ny mpivarotra sy ny mpanjifa mba hampiakatra ny tahan’ny fanjifana sy ny fihinana hazan-drano na trondro eto amintsika izay fantatra fa mbola ambany amin’izao mihoatra amin’ny Firenena hafa raha toa ka 7kg/olona/taona izany ankehitriny nefa ny tanjona dia ny hampiakatra izany ho 11kg/olona/taona.
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity Tsenaben’ny hazandrano andiany faha-05 tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, notronin’ireo olo-manakaja ambony maro sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera.
Manasa antsika rehetra noho izany ho tonga hanjifa ny vokatra hazandrano mandritra izao hetsika izao.
#MPEB #AMPA #FoireDesProduitsHalieutiques #TsenabeHazandrano #Trondro