Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

SEHATRY NY JONO
HO APARITAKA NY TEKNIKAM-PIOMPIANA TRONDRO ANATY FEFY MITSINGEVANA.

Fokontany Miaramanajaka, kaominina Masindray Distrika Avaradrano
Mbola betsaka ireo farihy izay afaka Hanaovana ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana (pisciculture en cage) eto amin’ny Faritra Analamanga ka anisan’izany ny eto amin’ity renirano lehibe eto amin’ny Kaominina Masindray ity.
Nidina teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nijery ny fomba rehetra ahafahana mametraka izany , Nijerena ny toetoetry ny rano (ny marimpana ,ny hasirany …) ,Teo ihany koa ny fijerena ny tontolo iainana manodidina ity farihy ity satria zava-dehibe dehibe ny fanajana ny fahadiovana ahafahana mamokatra vokatra madio sy ara-pahasalamana.
Manodidina ny 3 hektara ity farihy ity izay mahazaka fefy mitsingevana miisa 5 .
Izany no hatao dia hanomezana asa ho an’ny Tanora , hiadiana amin’ny Tsy fanjarian-tsakafo ar indrindra ny ady amin’ny fahahantrana amin’ny ankapobeny
Tsy mijanona ho toeram-piompiana trondro ihany ity toerana ity fa afaka hatao tsara ny mitsangatsangana eny an-toerana Rehefa Tafapetraka ireo fefy mitsingevana na Ilay antsoina hoe « pêche récréative » izay ahafahan’ireo mpitsidika mianatra mpanjono sns..🐟🐟🐟