Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Station Piscicole Antanimieva, Compagnie d’Infanterie Antanimieva, Faritra Atsimo Andrefana
Tetik’asa ho fananganana Fari-pisandratana FIHAREA FIA na ZEP (Zone d’Emergence Piscicole).

Vokatry ny fiaraha-miasa sy ho fanamafisana izany eo amin’ny Ministeran’ny Foloalindahy sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia hovelomina sy hohatsaraina mba hanaraka ny fenitra afaka hamokarana zana-trondro sy hanalebiazana trondro ny station piscicole ao Antanimieva.
Notanterahina niaraka tamin’ireo manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny Ministera (MPEB) sy ny avy ao amin’ny Génie Rurale/DRAE ny asa ara-teknika hahafahana mamaritra sy manao ny fandrefesana mifandraika amin’izany tetikasa izany ny faha 27 Aprily 2025 lasa teo.
Tsara ny manamarika etoana fa dobo fiompiana trondro na « étangs piscicoles » miisa 16 no harenina amin’ny laoniny mandritra izao tetikasa izao sy ny fanamboarana trano vaovao mirefy 5m X 7m izay ho hampiasain’ireo teknisianina hiandraikitra ity ZEP momba ny FIHAREA FIA ity.
Tonga nanatrika an’izany ny Kolonely, Komandin’ny Borigadin’ « Infanterie » Atsimo Andrefana ary notronin’ireo mpiara-miasa aminy toy ny Komandin’ny Bataillon d’infanterie ao Toliara sy ny Kolonely lehiben’ny C.OPS/ ZDS FIHERENANA ary ny Kapiteny, Komandin’ny Kaompania Voalohany « infanterie » ao Antanimieva.
Teo ihany koa ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga avy ao Atsimo Andrefana sy ireo Teknisiana avy any amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.