Toliara, Faritra Atsimo Andrefana
Atrikasa momba ny « Planification stratégique et opérationnelle du plan de gestion et de développement de la Réserve de Biosphère (RB) Tsimanampetsotse Nosy-Ve Androka dans le paysage marin Mahafaly »
Notanterahina ny 13 May 2025 tao Toliara ny atrikasa momba ny « Planification stratégique et opérationnelle du plan de gestion et de développement de la Réserve de Biosphère (RB) Tsimanampetsotse Nosy-Ve Androka dans le paysage marin Mahafaly ». Izay efa nahazo fankatoavana tamin’ny « UNESCO » tany amin’ny taona 2018.
Telo andro ny faharetan’ny atrik’asa izaye niompana betsaka tamin’ny fakan-kevitra an’ireo tompon’andraikitra eny ifotony ny amin’ny IRAKA sy ny VINA andrasana amin’ny antom-pisian’ny RB izay niarahana namolavola (approche participative).Izay lalana handrafetana ny drafim-pitantanana sy ny fanajariana hiarovana ny rohy voahary ho afaka hamokatra hamaly ny hamaly manodidina amin’ny fomba maharitra ho lovain-jafy.
Nanatrika izany moa ny solontenan’ny Prefektiora, ny DRPEB sy ny SREB, ny ekipan’ny BCPA sy ny ekipan’ny WWF, ny solontenan’ny DREDD, ny Talen’ny MNP sy ny ekipany, ny avy ao amin’ny ORTU ary ireo mpisehatra rehetra izay voakasik’io RB io. Marihina moa fa BCPA no mpanamahay voatendrin’ny WWF hanao ny asa.