Hôtel NAMBININA Ambositra, Faritra Amoron’i Mania
Atrikasa fampahafantarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa 4F/ASAM
Atrikasa fampahafantarana ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa 4F/ASAM, vatsian’ny #BMZ coopération Allemande vola, iarahana amin’ny Minisitera ny Jono sy ny Toekarena Manga ka ny #ONG_APDRA no manatanteraka ny asa ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, izay notanterahina ny faha 28 Marsa 2025.
Nisy ny fanaovana tombana ny ezaka vita tamin’ny PADM mba hahafahana manatsara ny fomba fiasa amin’ny #4F_ASAM.
Ny tanjony tetikasa dia ny fampiroboroboana ny sehampihariana trondro mba ho ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ho fidiram-bola maharitra ho any isam-batan’olona.
Izao atrikasa izao dia natrehan’ny Mme VPAN sy Solombavambahoaka 2 voafidy tao amin’ny Distrika ny Ambatofinandrahana sy Manandriana ary ny AP ny solombavambahoaka voafidy tato amin’ny Distrika Ambositra, tao iany koa ny SG any Faritra sy ny Ben’ny Tanàna ao amin’ny Kaominina 28 izay iasan’ny Tetikasa ary ireo solotenany mpiompy trondro sy ireo mpiaramiombonantoka isantsokajiny ao amin’ny Faritra.