Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Maputo, Mozambika
Fivoriana voalohany ho an’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ivon-toerana Fandrindrana ny Fanaraha-maso ny Jono ho an’ny Faritra SADC

 

Notanterahana tao Maputo, Mozambika, ny 20 Jona 2024, ny fivoriana voalohany ho an’ny Filan-kevim-pitantanan’ny Ivon-toerana Fandrindrana ny Fanaraha-maso ny Jono ho an’ny Faritra SADC (MCS CC SADC) tao aorianan’ny nampanan-kery ilay sata « Charte MCS CC SADC » nanomboka ny 08 Avrily 2023.

Miisa 11 ny mpikambana nahazo ny fankatoavan’ny fivorian’ireo Ministra misahana ny Fambolena, ny fanjarian-tsakafo ary ny Jono ato amin’ny Faritra ny SADC tamin’ny 17 Mey 2024 tany Luanda renivohitry Angola, ka isan’izany ny Tale mpanantanteraky ny Ivon-toerana ny Fanaraha-maso ny Jono eto Madagasikara.

Ny andron’ny 21 Jona 2024 kosa no nitsidika ilay toerana hanorenana ny Ivon-toerana ao Ka-Tembe, Maputo ireo Mpikambana ao amin’ny Filan-kevim-pitantanana.
Misy ireo mpitan-tsoroka sy mpiara-miombona antoka nampiseho ny fahavononana hifarimbona hanohana sy hiara-dalana amin’ny Ivon-toerana ka anisan’izany ny AU-IBAR, WWF, SIF, Traffic, ILO, FishFORCE.