Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Oniversiten’i Busan, Korea Atsimo
Fanamafisam-pahalalana ataon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Matsiatra Ambony sy Sofia

 

Nitohy ny 21 Jona 2024 tao amin’ny Oniversiten’i Busan, ny fanamafisam-pahalalana atao any Korea, ka androany dia ny tatitra isakin’ny firenena mpandray anjara no natao toy ny Politikam-panjakana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina, ireo vinan’ny fanjakana Malagasy izay nasongadina manokana ny fampiroboroboana ny toekarena amin’ny alalan’ny fampamokarana anatirano, tafiditra indrindra amin’ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ary ireo karazana fitatera an-dranomasina misy aty amintsika.

Narahana fifanakalozana sy fanontaniana naraham-baliny izany rehetra izany niarahana tamin’i Phd Yeajin Jung Oniversité Geogia, « Marine Science ».