FIOMPIANA TRONDRO TAO AMIN’NY CIS AMBOHIBAO
TAO ANATIN’NY ENIM-BOLANA DIA MANODIDINA NY 250KG NY VOKATRA AZO
Ny volana desambra 2024 no nandrotsaka zana-trondro Teto amin’ity Dobo trondro eto anivon’ny Direction générale ny CIS Ambohibao ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Enim-bolana aty aoriana , vokatra dia vokatra ireo trondro tao an-toerana izay manodidina ny 250 kg eo no ho eo.
Raha ny hita dia nahomby ny ezaka natao satria sady vaventy ireo trondro no betsaka . Porofo izao hoy A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert fa azon’ny rehetra atao tsara ny miompy trondro. Rehefa misy ny mitarika dia manaraka ho azy ny aoriana hoy hatrany izy.
Teto izao dia Dobo kely no tsotsotra no niompiana ireo trondro kanefa manodidina ny 4 hatramin’ny 5 tapitrisa ariary any ho any ny vola miditra amin’izy ireo.
Nanentana hatrany ny tenany ho an’ireo Tanora , ireo tsy an’asa ireo renim-pianakaviana indrindra, satria asa mahavelona izy ankoatry ny maha sakafo ara-pahasalamana azy. Vonona hatrany ihany koa ny Ministera hanampy sy hanohana antsika rehetra izay Liana ny amin’ity sehatry ny fiompiana trondro ity 


