𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐉𝐎𝐍𝐎 𝐓𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀, 𝐓𝐒𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐓𝐒𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐅𝐄𝐇𝐈𝐍𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀: 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐎MB𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐄𝐍𝐓𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐈𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐈𝐙𝐀𝐍𝐘.

Olana sedraina ary atrehin’ny firenena rehetra ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalana , tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana (#Pêche INN) ary ilana vahaolana sy fifanomezan-tanan’ny rehetra ihany koa. Raha ho an’i Madagasikara manokana no resahina dia efa maro ny vokatra tsara azo tsapain-tanana manoloana izany ady amin’ny « Pêche INN » izany amin’ny alalan’ireo fitaovana izay hampiasan’ny eo anivon’ny Ivotoerana fanarahamason’ny Jono na ny Centre de Surveillance des Pêches (#CSP), izay rantsamangaika eto anivon’ny MPEB hahitana sambo miisa 25 ankehitriny miampy drone miisa 2 izay vao azo ny volana Jolay 2025 teo ary nahatratrarana sambo vahiny miisa 5 (sri-lankais sy kenyan) izay nanao pêche INN tao anatin’ny fari-dranomasina Malagasy nanomboka ny taona 2024. Manoloana ireo ezaka efa vita sy ireo fanamby mbola miandry dia tonga nanolotra fitaovana maro tamin’ny fomba ofisialy hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny alalan’ny CSP ny fandaharan’asa #ECOFISH eo anivon’ny Vondron’ny Ranomasimbe Indianina #COI izay vatsian’ny Vondrona Eropeanina vola androany faha 11 Aogositra 2025 teto Ampandrianomby izay misy ny foiben’ny Ministera. Fitaovana vaovao toy ny angovo azo havaozina avy amin’ny herin’ny masoandro manana tanjaka 12 000 Watt izay hamatsy fitaovana toy ny « serveur » sy solosaina maro izay ilana herinaratra tsy tapaka hahafahana manangona tsara sy feno ireo antontan- kevitra sy antontan’iza amin’ny fotoana eo no eo . Ankoatran’izay dia nisy ihany koa ireo fitaovan-tserasera samihafa ho apetraka eny ambony sambo izay manao ny asa fisafoana an-dranomasina Telonify izay hafahana mifandray mivantana eo no eo . Atoa Edgar Razafindravahy, Sekretera Jenaralin’ny COI no nanolotra izany hoan’ny Ministera izay eo ambany fitarihan’Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert. Nanamafy hatrany ny COI fa vonona hifanome tanana amin’izany ady amin’ny Jono tsy manara-dalana, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalana izany. #MPEB #CSP #ECOFISH #COI #UE #Peche_INN
Ambohidalangina, Kaominina Ambanivohitra Mahatsinjony,Distrikan’i Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony. Fampiofanana momba ny fiompiana trondro mitety vohitra.

Anisan’ny mampahomby ny fiompiana trondro ny endriky ny vohontany satria manamora ny fifehezana ny rano sy ny fanajariana ny toerana izany. Manandanja ihany koa anefa ny fifehezana ny teknikam-piompiana ka izany no nahatonga ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga manapariaka sy manome fampiofanana maimaimpoana momba ireo teknikam-piompiana trondro manerana ny Nosy. Nisitraka izany ny mpiompy trondro niisa 31 avy ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mahatsinjony, Distrikan’i Lalangina ny faha 08 Aogositra 2025 teo. Nandritra izany no nanamafisana ny fahaizana izay efa nananan’izy ireo momba ny fiompiana trondro an-dobo sy antanim-bary. Vonona tanteraka ny hampihatra izay fahaizana nozaraina taminy ireto mpiofana ary antenaina arak’izany fa hiroborobo ny fiompiana trondro aorian’izao fampiofanana izao. #MPEB #DRPEB #Matsiatra_ambony #fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
VAHOAKA MARO NO LIANA TAMIN’NY FAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO TETO AMBATOMAINTY FARITRY MELAKY

Nandritra ny fiofanana izay notarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert no nahatsapana fa maro amin’ireo vahoaka eto Ambatomainty no tsy Mbola mahafehy tsara ny teknim-piompiana Trondro na ireo karazana fiompiana trondro afaka atao Ankoatr’izay ireo lalàna mifehy ny Jono. Ity fampiofanana ity arak’izany no soa fananararaotra ho azy ireo entiny hanamafisany ny fahaizamanaon’izy ireo ahafahany mampiroboro ity foto-piveloman’izy ireo ao an-toerana, ahafahana mamerina ihany koa ny Lazan’ny Distrika amin’ny fananany karazana hazandrano maro izy rahateo izay manana ranovory manodidina ny 30 eo no ho eo. Ankoatry ny fampiofanana dia nifanakalo hevitra tamin’izy ireo A/toa Minisitra tamin’ny alalan’ny fanontaniana naraham-baliny. Mankasitraka antsika Ary hampiaro avy hatrany ity fampiofanana nomena antsika ity fa ho hotantsika fa asa mahavelona hoy A/toa Minisitra. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #FAMPIOFANANA #FIOMPIANA #TRONDRO
Akon’ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro eny ifotony, Kaominina Ambonivohitra Soanierana Ivongo, Distrikan’i Soanierana Ivongo Faritra Analanjirofo

Tontosa tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Soanierana Ivongo ny faha 08 Aogositra 2025 teo ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro maimaimpoana izay niarahana tamin’ireo Teknisianina avy eo anivon’ny fitaleavana misahana ny famokarana anaty rano (DA), notronin’ny Talem-paritry ny Jono sy Toekarena Manga (DRPEB) avy ao Analanjirofo ary natrehin’ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanànan’i Soanierana Ivongo. Nahatratra 55 ireo mpandray anjara tonga niatrika izany ka ireo teknika fototra mikasika ny fiompiana trondro tilapia an-dobo sy antanim-bary no nozaraina nandritra izany fihaonana izany.Velombolo ireo tantsaha sady vonona ny hampihatra ny fahaizana vao avy noratoviny noho ireo tombontsoa maro izay azo avy aminy. #MPEB #DA #DRPEB #Analanjirofo #fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga #PPSPAS
ANKILANDILANA, DISTRIKAN’NY MORAFENOBE FARITRY MELAKY : NY JONO AN-TANETY NO FOTO-PIVELOMAN’IREO MPONINA.

Araky ny vinan’A/toa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA dia tsy tokony Hisy intsony ireo Distrika adino amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana izay sehatrasa mampalaza na mampiavaka ny Distrika iray. Ho an’ny sehatry ny Jono manokana dia miezaka Manakaiky hatrany ireo vahoaka eny ifotony amin’ny fanapariahana ny teknim-piompiana Trondro ny Ministera izay tarihin’A toa Minisitra MAHATANTE Paubert ahafahan’ireo olona mamelona ny ankohonany noho ity seham-pihariana iray izay mampidibola betsaka ity. Toerana Lavitra no saro-dalana ny Fokontany Ankilandilana izay 70 km miala an’ny Distrikan’ny Morafenobe kanefa tsy nanakana an’A/toa Minisitra sy ireo delegasionina niaraka taminy ny fitsidihana ity tanana iray ity satria tsapa fa olona liam-pivoarana izy ireo Ary Vonona ny hisehatra amin’ny asa fihariana anaty rano fa ny fitaovana no olana Raha ny namabaran’izy ireo. Manaporofo izany ny Zavatra hita nandritra ny fitsidihana ny ranovory lehibe izay fiveloman’ireo mponina , irony lakana kely ireo no entina miasa. Nanome toky ny Minisitra fa hijery akaiky azy ireo ahafahan’izy ireo mampiroboro ity foto-piveloman’izy ireo ity Ary hanome fiofanana ihany koa . Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #Faritry_melaky
TONGASOA ETO AMIN’NY DISTRIKAN’NY AMBATOMAINTY ,FARITRY MELAKY A/TOA MINISITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA MAHATANTE PAUBERT

Mitohy hatrany ny Hetsika fampiroboroboana sy fanapariahana ny teknim-piompiana Trondro eto Madagasikara ka eto amin’ny Distrikan’ny Ambatomainty indray no nandray izany Anio 09 Aogositra 2025 . Tamin-kafaliana tanteraka no nandraisan’izy ireo azy sy ireo delegasionina niaraka taminy izay satria Efa ela niandrasana izao fotoana izao izy ireo . Mandritra ity fitsidihana ity dia hisitraka fampiofanana fiompiana trondro maimaimpoana avy amin’A toa Minisitra izy ireo ahafahany manana anton’asa sahaza azy sy mampidibola ho an’ny tokantrano tsirairay avy. Hisy ihany koa ny fitsidihana ireo ranovory lehibe ao an-toerana ahafahana Manao izany asa fihariana trondro izany Ary ny fanentanana maro isan-karazany. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #FARITRY_MELAKY #AMBATOMAINTY
RANOVORY MANGARIKA, FKT AMBAHIVA, KAOMININA AMBATOMAINTY : VONONA HIFANOME TANANA IREO OLONA AMIN’NY FANATSARANA NY FARIM-PIAINANY

Tokantrano manodidina ny 100 no mivelona amin’ny Ranovory lehibe eto amin’ny Fokontany Ambahiva izay Mirefy 200ha any ho any. Manana ny tantarany manokana ity ranovory lehibe ity Raha nambaran’ireo Mpanjono RAD eo an-tanana, betsaka ny trondro sy zavaboary tao Teo aloha fa nihena izany Ary misy lany tamingana izany ankehitriny nohon’ny tsy fahalalana ireo lalana mahakasika ny resaka fanjonoana. Ho Averina amin’ny laoniny izany hoy A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert nandritra ny fitsidihany teny an-toerana. Mila miray hina Ary mifanome tanana ireo mponina , ireo olom-boafidy sns… Eny an-toerana ahafahana manatsara izany . Ho fanamafisana ny fanarahan-dalana Dia tokony apetraka ny kaomity hitantana ny ranovory ,hamafisina ihany koa ny fanentanana eny ifotony satria miainga eny ifotony ny fampandrosoana. #Ministère_de_la_Pêche_et_de_l_Economie_Bleue #FARITRY_MELAKY #AMBATOMAINTY
Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo. Fifanakalozana traikefa eo amin’ny samy mpanjono mpikambana amin’ny VOAMAMI.

Ilaina ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo mitovy asa atao mba hampivoarana ny fari-piainana sy hahafahana mahazo fomba fijery sy fomba fiasa vaovao.Araka izany dia fikambanana mpanjo, miisa dimy(05) ,mpikambana VOAMAMI miisa (05) ary mpanao kinanga avy ao amin’ny distrikan’i Toamasina no nitsidika tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo atsinanana ny faha 05 sy 06 Aogositra 2025 teo. Vontoatin’ny fitsidihana ny fifampizarana traikefa hampiroboroboana ny VOAMAMI sy ny hampitomboana ny vadin’asa azon’ny mpanjono madinika atao hahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ireo loza voajanahary izay misy fiantraikany amin’ny asan’izy ireo.Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavamparitry ny Jono sy ny Toekarena Manga eo amin’ny faritra roa tonta ary ny tantsoroka nomen’ny ONG OSDRM sy ny ONG GRADE ary ny orinasa Ambatovy no nahafahana nanatontosa izao fihaonana izao. #MPEB #DRPEB #VOAMAMI #mpanjono_madinika #Ambatovy #ONG_GRADE #OSDRM
DISTRIKAN’NY MORAFENOBE,FARITRY MELAKY : FANAMPARIAHANA NY TEKNIKAM-PIOMPIANA TRONDRO

Fanamby Hapetraky ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ny #hanaparitaka ny #teknim_piompiana_Trondro eto Madagasikara. Ankoatr’ireo ezaka ataon’ny fitaleavam-paritra tsirairay avy amin’ny Fidinana ifotony isan-karazany dia tsy mikely soroka fa #manampy Ary #manamafy hatrany izany fanapariahana sy fanentanana izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert satria ny fiara-mientana no mahalasa lavitra Raha nambarany. Ny Anio 8 Aogositra 2025 dia ireo vahoakan’ny Morafenobe no nisitraka ny fampiofanana Feno izay nanomezana ireo fomba fiompiana trondro rehetra afaka atao no notontosaina teto . Araka ny hita ao an-toerana dia Efa misy ihany ireo mpiompy fa ny lalam-barotra hoy izy ireo no mahalana ka nanome toky azy ireo Minisitra fa hitady vahaolana ho famaliana ny hetahetan’izy ireo. Vonona Ary maro izy ireo no Liana satria resy Lahatra fa seham-pihariana mahavelona ny asa fiompiana trondro Ary afaka ataon’ny sarambabem-bahoaka fa indrindra ireo renim-pianakaviana. Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue #FAMPIOFANANA_FIOMPIANA_TRONDRO #MELAKY
Distrikan’Amparafaravola, Kaominina Ambanivohitra Ambodimanga, Faritra Alaotra Mangoro.

𝐀𝐤𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨. Taorian’ny fangatahana nataon’Atoa Ben’ny tananan’ny Kaominina Ambodimanga mba hanatanterahana fampiofanana manokana momba ny fiompiana trondro ho an’ny mponina ao amin’ny Kaominina izay nampitaina tany amin’Andriamatoa Minisitry ny ny Jono sy ny Toekarena Manga dia namaly avy hatrany ny ekipa avy amin’ny DRPEB (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue) sy ny DA (Direction de l’Aquaculture).Ny kaominina rahateo dia manana toerana maro hahafahana manao an’ izay fiompiana trondro izay . Nandritra io fampiofanana io dia miisa 71 no nanatrika izay naneho ny fahavononany hianatra sy hanatsara ny fahaizany amin’ny fiompiana trondro. Ny tanjona voalohany tamin’ity fiofanana ity dia ny hamahana ny olana mifandraika amin’ny fitantanana sy ny fampiasana rano izay lasa olana lehibe eo amin’ny tantsaha sy ireo mpiompy noho ny fiovan’ny toetr’andro. Ankoatran’izay dia nomena ny teknika vaovao izay afaka hanampy ireo mpiompy hanatsara ny vokatra azony. Atoa Ben’ny Tanànan’i Amparafaravola dia naneho ny fahavononany hanamafy ny fanentanana momba ny fiompiana trondro izay ho atao isaky ny Alakamisy.Resy lahatra tanteraka amin’ny tombontsoa azo avy amin’ity sehatra ity ny rehetra ka nanolo-tena fa hanohy hikarakara sy hanohana ny fampiofanana tahaka izao mba hampiroboroboana ny fiompiana trondro ao amin’ny Distrika. Nampatsiahivina fa ny fiompiana trondro dia tsy vitan’ny manome fidiram-bola ho an’ny tokantrano fa manampy amin’ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana sy ny fampandrosoana ny toekarena eo an-toerana. #MPEB #DA #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Fiompiana_Trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga #PPSPAS