Kaomina Ambanivohitra Amboditandroroho, Distrika Toamasina II, Faritra Atsinanana. Fandrotsahana Zana-trondro

Nitohy ny faha 21 Oktobra 2025 teo ny fandrotsahana zana-trondro tao anatin’ny lakandranon’i Pangalana atsimo, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Amboditandroroho, Distrikan’i Toamasina II, Faritra Atsinanana izay anisan’ny ezaka mitohy mandritra ny vanim-potoana fikatonan’ny jono an-dranomamy eo anivon’ny faritra, izay mikendry ny hampitombo ny harena anaty rano sy hanohanana ny fampandrosoana maharitra ny jono an-dranomamy. Zana-trondro miisa 6 500 no narotsaka tamin’ity fotoana ity ary marihina fa ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny Kaomina Amboditandroroho sy ireo mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana ao amin’ny faritra. Ireo mpiompy ireo dia nanana anjara toerana lehibe tamin’ny fanomanana sy ny famokarana ireo zana-trondro ireo. #MPEB #DRPEB_Atsinanana #fandrotsahana_zana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_manga
The dialogue series 3 Madagascar
ENGA Ambositra,Faritra Amoron’i Mania. Fihariana anaty rano : Miroso hatrany ny asa fanamboarana Ireo dobon-trondro.

Androany 20 Oktobra 2025 dia nisy ny fijerena ny fizotry ny fandroson’ny asa mikasika ny fanamboarana dobon-trondro manarapenitra ao amin’ny EGNA Ankorombe Ambositra izay teo ambany fanohanan’ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB Amoron’i Mania. Amin’ny ankapobeny dia miroso hatrany ny asa ary efa kely sisa dia ho vita ity fanamboarana dobon- trondro ity. Ankoatran’izay dia natoro azy ireo ihany koa ny fomba fanaovana ny « correction acidité » ny toerana mba hampahomby ny famokarana alohan’ny hampidirana rano hanaovana ny fiompiana trondro . Vinavinaina ho amin’ny herinandro ambony farafahatarany dia hisy avy hatrany ny fandrotsahana trondro ao amin’ireto dobon-trondro ireto. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #ENGA #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Mahamanina, Kaominina ambanivohitra Maherivaratra, Distrikan’Ambanja, Faritra DIANA. Akon’ny fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro.

Anisan’ny hoavin’ny fanjonoana ny Fihariana anaty rano ka zava-dehibe ny fampiroboroboana izany amin’ny alalan’ny fizarana fiofanana mitety Faritra.Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia manana paikady hanatrarana izany mba hanatrarana ihany koa ny fanjariana ara-tsakafo.Nisy araka izany ny fampiofanana maimaimpoana narahin’ny fampiharana tao amin’ny Fkt Dilamboay ireo tantsaha miisa 50 ao anatin’ny Distrikan’Ambanja. Ny ekipan’ny Fitaleavana misahana ny Fihariana anaty rano#DA DRPEB DIANA sy ny CirPEB Ambanja no nizara ny traikefany nandritra izany. #MPEB #DA #DRPEB_DIANA #CirPEB_Ambanja #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga #Appui_Sectoriel
Distrikan’i Tsaratanana,Faritra Betsiboka. Fanentanana narahina fampiofanana mikasika ny fiompiana trondro.

Nisy ny fidinana ifotony izay natao ny faha 13 ka hatramin’ny faha 16 Oktobra 2025 lasa teo izay nanatanterahina ny Fampiofanana mikasika ny Fiompiana Trondro tao amin’ny Fkt Soamiafara Kaominina Ambanivohitra Tsaratanana izay notronin’ireo Kaominana enina ao amin’ny Distrikan’ny Tsaratanana tapany avaratra. Tsy adino ihany koa ny nampatsiahy ny lalàna mifehy ny Jono ka anisan’izany ny fampiasana fitaovana sy teknika tsy azo atao ary indrindra ny fanajana ny fotoana fikatonan’ny Jono izay hanomboka ny faha 15 Novambra 25 hoavy izao ao amin’ny Faritra Betsiboka . Tonga nanotrona sy nandray anjara mavitrika tamin’ity Hetsika ireo manam-pahefana tao an-toerana. #MPEB #DRPEB_Betsiboka #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
LANONAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA NANDRAISANA NY FIANIANAN’NY KOLONELY RANDRIANIRINA MICHAËL, FILOHAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy, no nanatanterahana ny lanonam-pitsarana manetriketrika nandraisana ny fianianan’i Kolonely Randrianirina Michaël, izay voatendry ho Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana laharana faha 10-HCC/D3, tamin’ny 14 oktobra 2025. Nanatrika izany ireo mpikambana avy amin’ny Fitsarana Avo, ireo Manamboninahitra sivily miaramila, ireo tomponandraikitra ambony maro samihafa, ireo Raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy ireo Masoivoho maro miasa sy monina eto Madagasikara, ary ny solontenan’ireo tanora nandray anjara tamin’ny tolom-bahoaka. Nisongadina nandritra ity fotoana ity ireo andraikitra sy fanamby lehibe miandry ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, izay mitaky fahitsiana sy fahaiza-manao matihanina amin’ny famolavolana ny Firenena ao anatin’ny fitondrana tan-dalàna hatrany. Laharampahamehana hoy izy, ny hitondrana vahaolana haingana sy maharitra ka hivoahana amin’izao fahasarotana ara-tsosialy sy ara-toe-karena izao, sy ny hamaliana ny hetahetan’ireo mponina ifotony. Araka izany dia naneho fahavononana tanteraka hiatrika izany ny tenany, ary niantso ny rehetra hifanome tanana sy hifanohana ihany koa mba hanatratrarana miaraka izany tanjona lehibe izany.
Kaomina Fieferana, Distrikan’i Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Fanomezana tohana ireo mpiompy trondro.

Ny faha 15 Oktobra 2025 teo dia nanatanteraka fidinana ifotony sy fanampiana ara-teknika ho an’ny fampanatodizana karpa ny ekipa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra ny Jono sy Toekarena Manga DRPEB Analamanga DRPEB Analamanga.Nandritra io hetsika io dia nisy ny fijerena ireo reny trondro efa vonona hampiasaina amin’ny fampanatodizana, izay mbola eo an-dalam-pikarakarana sy fanatsarana ny fepetra mba hahazoana vokatra tsara. Mpiompy trondro miisa enina (6) no nisitraka izao hetsika izao ary nahazo tombontsoa avy amin’ny fanampiana teknika izay nomena ary nankasitrahan’izy ireo. #MPEB #DRPEB_Analamanga #Asa_Manga #Toekarena_Manga
𝗖𝗢𝗠𝗠𝗨𝗡𝗜𝗤𝗨𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗣𝗥𝗘𝗦𝗜𝗗𝗘𝗡𝗖𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗥𝗘𝗙𝗢𝗡𝗗𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗥𝗘𝗣𝗨𝗕𝗟𝗜𝗤𝗨𝗘 𝗗𝗘 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗖𝗔𝗥
L’accès à la page Facebook officielle de la Présidence de la République a été subtilisée par l’Administration précédente et utilisée à des fins subversives. En attendant les procédures en cours , il est demandé à tous DirComm ou postes équivalents de Ministères ou d’autres organismes publics et à tous DSI de prendre toutes les dispositions nécessaires pour sécuriser immédiatement les sites web et l’accès aux pages officielles de chaque institution. Des mesures strictes seront prises contre les récalcitrants. Par ailleurs, tout responsable de communication publique est convoqué à une réunion d’urgence au CEMES Soanierana ce jeudi 16 octobre à 11h.
Fkt Ampasimandroro,Kaominina Ambonivohitra Maintirano, Distrikan’i Maintirano, Faritra Melaky. Fanokafana ny tahiry tsy maharitra ny horita taona 2025.

Ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB dia manao ny ezaka rehetra hampaharitra ny fitrandrahana ireo haza an-dranomasina sy andranomamy.Izany no mahatonga ny fanakatonana ny fitrandrahana mandritra ny fotoana voafetra araka ny lalàna mifehy ny jono izay miovaova isam-paritra. Araka izany dia notanterahina ny faha 08 Oktobra 2025 teo tao amin’ny faritra arovana Nosy Barrein ao amin’ny faritra Melaky ny fanokafana ny tahiry tsy maharitra ny horita »réserve temporaire des poulpes « hoan’ny taom-panjonoana 2025 ka tao amin’ny tananan’i Mangily, Dondosy, Nosy lava, Abohazo ary Nosindrano no nanatontosana izany. Nahatratra hatrany amin’ny 1682 kg ny vokatra azo hoan’i Mangily raha toa ka 200 kg ny azo tao Abohazo sy Nosindrano izay nahitana ny vokatra ambany indrindra. Nihena ny vokatra raha oharina tamin’ny taon-dasa noho ny vokatry ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ity vokatra an-dranomasina ity .Nanotrona izao fanokafana izao ny teo anivon’ny Faritra Melaky, ny DRPEB,DREDD,ny avy ao amin’ny Kaominina Maintirano, ny Fkt Ampasimandroro ary ny solontenan’ny ONG Bleu Ventures any an-toerana izay manome ny tantsoroka nahafahana nanatontosa ny asa rehetra. #MPEB #DRPEB #DREDD #Melaky #Fisokafan_ny_Jono_Horita #ONG_Bleu_Ventures.
Maroc: Fihaonambe antampony hoan’ny Toekarena Manga andiany faha-3.

Nandray anjara tamin’ny fihaonambe an-tampony hoany Toekarena Manga eto Afrika na ny « BLUE AFRICA SUMMIT » izay notontosaina tany Tanger, Maroc ny 09 sy 10 oktobra 2025 i Madagasikara tamin’ny alalan’ny solontena avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB. Ity andiany faha-telo ity dia nanombohana ny fandrafetana ny « PACTE POUR UNE AFRIQUE BLEUE DURABLE » na fifanarahana hoan’ny Toekarena Manga maharitra eto Afrika. Ny fanazavana ny lohahevitra hoe « une vision commune pour une Afrique bleue durable » no nandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny andro fanokafana. Ny andro faharoa kosa dia noresahina nandritry panel ny resaka « gouvernance sy territoire » , « finance et économie bleue » , « science, recherche et éducation » ary momba ny « société civile » Marihina fa vitaina alohan’ny novambra 2026 ny fandrafetana ireo antotan-kevitra ireo ary hampahafantarina mandritry ny andian’ny faha-efatra. #MPEB #BLUE_AFRICA_SUMMIT_3RD_EDITION #MAROC
