Faritra Amoron’i Mania. Fanomezana tohana hoan’ny mpiompy trondro.

Notanterahina ny faha 27 Oktobra 2025 teo ny fizarana ireo zana-trondro avy amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB izay zana-trondro miisa 17 500 eo ary Raiamandrenin’ny Trondro toy ny Tilapia miisa 20 eo sy Karpa miisa 20 eo ary tsy adino ihany koa ny provandy niisa 7 lasaka. Raha ny fitsinjarana ireo fanohanana ireo dia nomena ny mpitantana ny ZEP (Zone d’Emergence Piscicole) ny Raiamandreny trondro sy ny provandy mba entina avy hatrany hanombohana ny famokarana ary ny zana-trondro kosa dia nozaraina tamin’ny Distrika 03 ao amin’ny faritra izay ny Fikambanana ara-dalana sy manana karatra maha-mpiompy trondro no nomena ary teo ihany koa ireo olontsotra misehatra amin’ny fiompiana trondro izay hita fa miezaka ka mila fanampiana ary farany dia tsy adino ireo mpanao asa soa eto amin’ny Faritra ka hita fa manana dobo manaraka ny fenitra sy ara-dalana. Nanome hafatra azy ireo ny DRPEB amin’ny hakàna antontan’isa aorian’ny fiakaran’ny vokatra. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #Tantsoroka_Mpiompy_Trondro_ifotony #Asa_Manga #Toekarena_Manga
FLM Ambohijatovo Vangaindrano,Faritra Atsimo Atsinanana. Akon’ny fampiofanana mahakasika ny fiompiana trondro.

Tontosa soamantsara ny faha 24 Oktobra 2025 teo ny famaliana ny fangatahana nataon’ny avy ao amin’ny fikambanana FANILO eo anivon’ny fiangonana Loterana FLM Vangaindrano izay fangatahana hanomezana fampiofanana fiompiana trondro azy ireo. Miisa 26 ireo Kristianina nisitraka ny fiofanana ary nifampizarana tamin’izany ny mahakasika ny famokarana zana-trondro, ny fiompiana trondro an-dobo, ny fomba fikarakarana ary ny fomba fanomezana sakafo ho an’ny trondro . Taorian’ny fampiofanana dia nangataka tohana zana-trondro moa ireo mpiofana ka nampanatena ny avy ao amin’ny ekipan’ny DRPEB Atsimo Atsinanana fa hisitraka izany tsy ho ela ireo izay nahavita dobo trondro ka vonona hampihatra ny fiofanana. #MPEB #DRPEB_Atsimo_Atsinanana #Fikambanana_Fanilo #FLM_Vangaindrano #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Distrikan’i Vangaindrano sy Vondrozo, Faritra Atsimo Atsinanana. Fanolorana ireo tantsaha mpampita miara-miasa amin’ny GIZ/Prosar.

Isan’ny mpiara-miombon’antoka manohana ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB amin’ny fampiroboroana ny sehatry ny fiompiana trondro ny GIZ/Prosar miaraka amin’ny ONG WHH sy GSDM.Mpiompy trondro miisa 119 no nisitraka tohana avy aminy ka nisy ihany koa ny toeram-piompiana lalitra « Black Soldies Fly »BSF 17 isa napetraky ny tetikasa izay hahafahana mamokatra olitra hatao sakafo hoan’ireo trondro.Araka izany dia nisy ny fitetezana ireo kaominina niisa 16 ao anatin’ny Distrikan’i Vangaindranosy Vondrozo izay notontosain’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga# DRPEB Atsimo Atsinanana niaraka tamin’ireo Fitaleavana maromaro misy ao amin’ny faritra toy ny DRAEH,ORN,DRSP,DRAE, DRETFP ny faha 13 ka hatramin’ny 25 Oktobra 2025 teo.Nandritra izany no nanolorana ireo tantsaha niisa 220 ho fantatr’ireo manam-pahefana eny ifotony izay narahina fanolorana mari-pankasitrahana « certificat » ho azy ireo. Noentanina ihany koa ireo Mpiompy trondro ny amin’ny tokony hananany karatra maha mpiompy sy ny fidirana anaty fikambanana ary ny fanaovana tatitra ny vokatra mba hahafahana misitraka tombontsoa maro rehefa tafiditra ao anatin’ny sehatry ny ara-dalana.Nohamafisina koa ny tokony hanajana ny fotoana fikatonana vonjimaika momba ny fanjonoana an-dranomamy any an toerana izay nanomboka ny faha 15 Oktobra teo ka tsy hifarana raha tsy ny faha 15 Novambra 2025. #MPEB #DRPEP #GIZ_Prosar #WHH #GSDM #Fiompiana_trondro
Libanona Taolagnaro, Distrika Taolagnaro, Faritra Anôsy.Fandraisana ireo fitaovana fitehirizambokatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Noraisina tao amin’ny Fitaleavam paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Anôsy ny faha 24 oktobra 2025 teo ny fitaovana » kits » fitehirizana hazandrano miisa 15 izay nahitana vata fampangatsiahana 200L mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy “panneaux solaires » miisa 15 izay marihina fa ny GIZ Prada Taolagnaro no nanolotra izany fitaovana izany. Natao izao fampitaovana izao mba hitsinjovana ireo mpanao kinanga sy mpiompy fia ao amin’ny Faritra hitazomana hatrany ny kalitaon’ny vokatra. Izao dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny GIZ PrAda izay novatsian’ny Vondrona Eorepeanina (UE) ary mbola ho maro ny fitaovana andrasana izay mbola eo ampividianana azy toy ny lakana vita amin’ny “fibre de verre”, motera, salotra vonjy aina, sns. #MPEB #DRPEB_Anosy #GIZ_Prada #UE #Fampitaovana_Mpanjono_madinika_Asa_Manga #Toekarena_Manga
Kaominina Ambonivohitra Ambositra,Distrikan’Ambositra,Faritra Amoron’i Mania. Akon’ny Fampiofanana fiompiana trondro.

Notanterahina ny faha 24 Oktobra 2025 teo ny fampiofanana fiompiana trondro izay nampanoavin’ny ekipan’ny DRPEB Amoron’i Mania izay natao tao amin’ny FLM Ilaka Centre,Kaominina Ambonivohitra Ambositra ka ny FAFAFI SPAM no niara nanatontosa sy nanampy tamin’izao fampiofanana izao ary fiaraha-miasa amin’ny Synodam-Paritany Avaratr’iMania. Miisa 65 no tonga nanatrika ny fampiofanana ary hantenaina fa mbola hitohy moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana mba hanatsarana ny fari-piainan’reo mpiara belona indrindra ireo tanora mba hampiroboroboana ny seha-pihariana trondro ao Ilaka Centre. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #FAFAFI_SPAM #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga
Kaominina ambanivohitra Mavorano, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany. Fanomezana tan-tsoroka ireo mpiompy trondro voaofana.

Tsy mamela irery ireo tantsaha vao avy nahazo fiofanana momba ny fiompiana trondro ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB fa manome hatrany tantsoroka ara-teknika mikasika ny fanamboarana dobo.Ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB izay ratsamangaika eny amin’ny faritra no manantontosa ny asa mivantana any ifotony.Araka izany dia nidina an-tsehatra tao Mavorano ny ekipan’ny#DRPEB Fitovinany ny faha 24 Oktobra 2025 teo nijery ny fizotra ny fanamboarana dobo misa 10 manana velarana mitotaly 3000 metatra toradroa. Nozaraina nandritra izany ireo teknika fototra mikasika ny fomba fanamboarana dobo mba fanampiana azy ireo hahazo vokatra tsara. #MPEB #DRPEB #Fitovinagny #Fiompiana_trondro #Asa_manga.
Alakamisy Anivosoa, Kaominina Ambanivohitra Marofarihy, distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny : Fanentanana momba ny fikatonan’ny Jono an-dranomamy.

Notanterahina ny faha-23 Oktobra 2025 teo ny fidinana tao Alakamisy Anivosoa, Kaominina Ambanivohitra Marofarihy izay nataon’ ny ekipa avy ao amin’ny DRPEB Fitovinagny izay nanentanana ireo mpanjono mba hanaja hatrany ny fe-potoana fikatonan’ny Jono an-dranomamy izay nanomboka ny faha 15 Oktobra lasa teo ka hatramin’ny faha 30 Novambra 2025 hoavy izao. Nampatsiahivina hatrany fa ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fepetra ho raisina manoloana ireo izay mbola mihoapefy satria izao no hatao dia ny hitsinjovana ny mba hampaharitra ny jono an-dranomamy ho lovainjafy. #MPEB #DRPEB_Fitovinagny #Fikatonan_ny_jono_andranomamy #Fanentanana_ifotony #Jono_an_dranomamy_maharitra
Kaominina ambanivohitra Sahamatevina sy Vatomandry, Distrikan’i Vatomandry Faritra Atsinanana.Fandrotsahana zana-trondro ho fanatsarana ny jono an-dranomamy maharitra.

Ezaka imasoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga #MPEB ny fanatevenana ireo tahiri-trondro amin’ireo renirano amin’ny alalan’ny fandrotsahana zana-trondro mandritra ny fotoam-pikatonan’ny jono an-dranomamy ao anatin’ny faritra iray.Araka izany dia notontosaina ny fandrotsahana zana-trondro 4000 isa tao amin’ny reniranon’i Sandramanongy Maroloha ao amin’ny distrikan’i Vatomandry ny faha 23 Oktobra 2025 teo. Ny fiarahamiasa amin’ireo mpiompy trondro anaty fefy mitsingevana no nahafahana nanao izao hetsika izao amin’ny fifanomezantanana mba hanatrarana ny vina ho amin’ny jono an-dranomamy maharitra ho lovainjafy. #MPEB#DRPEB ATSINANANA#Fandrotsaha na zana-trondro# Jono an-dranomamy maharitra
Kaominina Ambonivohitra Ambositra,Faritra Amoron’i Mania. ZEP (Zone d’Emergence Piscicole ) Ampivarotanomby Ambositra: Hatsaraina ny fomba fitantanana azy.
Notanterahina ny faha 23 Oktobra 2025 teo tao amin’ny efitranon’ny Lycée Technique Ambositra ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny ekipa avy ao amin’ny ONG TAFA (Tanora Antoky ny Fampandrosoana Aho) mahakasika ny fomba hitantanana ny ZEP ao Ampivarotanomby, Ambositra ka mpikambana miisa 07 no nisitraka sy nanatrika an’ity fampiofanana ity. Marihina fa efa miodina soamantsara ity ZEP ao Ampivarotanomby Ambositra ity ary tsy ho ela dia hiditra amin’ny famokarana zana-trondro tsara kalitao izy ity izay hamatsihana ireo mpiompy trondro ao an-toerana sy ny manodidina. #MPEB #DRPEB_Amoron_i_Mania #ZEP #ONG_TAFA #Famokarana_Zanatrondro #Toekarena_Manga
Faritra Ihorombe. Fanohanana ireo mpiompy trondro.

Mitohy androany faha 23 Oktobra 2025 ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB amin’ny fizarana ireo zana-trondro hoan’ny Faritra Ihorombe izay zava_dehibe tokoa amin’ny fanohanana ireo mpiompy trondro. Raha toa ka zana-trondro miisa 3000 amin’ny zana-trondro 15000 no nozaraina amin’ny Kaominina telo (Zazafotsy, Ambia, Sahambano) ny faha 21 Oktobra 2025 teo dia zana-trondro miisa 1600 indray no tsinjaraina amin’ny ny Kaominina telo dia ny Kaominina Ambanivohitra Ranohira, Kaominina Ambanivohitra Andohanilakaka ary Kaominina Ambanivohitra Ilakakabe. Marihina moa fa tanjona amin’izao hetsika izao ny hampiroboroboana ny fampamokarana ny atirano amin’ny alalan’ny sehatry ny fiompiana trondro ary manamafy ny fandrosoana ara -toekarena ho an’ny faritra. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #zanatrondro #Toekarena_Manga
