Kaominina ambanivohitra Ambia, distrikan’Ihosy Faritra Ihorombe. Fandraisana ireo ray aman-dreny trondro hompiana ao amin’ny ZEP

    Anisan’ny paikadin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ny fananganana Fari-pisandratana ny fiompiana trondro na ny « Zone d’emergence Piscicole »ZEP manerana ny faritra maro eto Madagasikara.Araka izany dia efa vita tanteraka ny fanamboarana ireo dobo miisa 20 manana velarana 03 Ara avy izay sokajiana ho ZEP faharoa ao amin’ny faritra Ihorombe izay ao anatin’ny FKT Bemandresy distrikan’Ihosy, ka nisy fandraisana ireo Ray aman-dReny trondro karpa »géniteurs » mitotaly 20 (13 lahy sy 7 vavy) hompiana ao amin’izany toerana izany.Nanotrona izany ny ekipan’ny Fitaleavamparitry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Ihorombe.Azo antoka tanteraka ny famatsian-drano amin’ity toerana ity noho izy zay vao nametrahana « forage »hampihodinana ny dobo.      Tanjona ny famatsiana zana-trondro tsara kalitao ireo mpiompy trondro any an- toerana. #MPEB #DRPEB #ZEP #fiompiana_trondro #zana_trondro #Asa_Manga

Fkt Ambodigavo, Kaominina Ambanivohitra Lakato, Distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra-Mangoro.

Fanohanana ireo mpiompy trondro eny ifotony.      Mpiara-miombon’antoka sy tetikasa maro no mifanome tanana amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga MPEB ho fampiroboroboana ny fiompiana trondro eto Madagasikara.Araka izany dia nizara zana-trondro 10 000 isa sy ampombo 1 taonina hoan’ireo mpiompy trondro miisa 10 avy ao Ambodigavo, distrikan’i Moramanga ny ekipan’ny Fari-piadidian’ny Jono sy ny Toekarena Manga CirPEB Moramanga niaraka tamin’ny teo anivon’ny « Conservation Internationale ».Ny tantsoroka avy amin’ny tetikasa PREAA no nahafahana nanatontosa izany vokatry ny fiaraha-miasa misy. #MPEB #CirPEB #Moramanga #Alaotra_mangoro #fiompiana_trondro #CI

Tanambaovao, Kaominina Ambanivohitra Analavory, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinagny.

Fanohanana ara-teknika ho an’ny mpiompy trondro.     Tonga nanao fitsidihana eny ifotony ny ekipa avy amin’ny DRPEB Fitovignany ny faha 09 Oktobra 2025 teo tao amin’ny Fkt Tanambaovao, Kaominina Ambanivohitra Analavory, ao amin’ny distrikan’i Manakara. Dobo trondro an’Atoa Justin, tantsaha iray ao amin’ny Kaominina no nitsidihana tamin’ity indray mitoraka ity.     Dobon-trondro miisa roa an’Atoa Justin no notsidihana arak’izany izay samy manana velarana 2 ara eo eo . Efa vonona tanteraka ireo dobo ireo, ka nahazo toro-marika sy fampianarana ara-teknika feno avy amin’ny DRPEB izy ireo mba hanatsarana ny vokatra ho azo. Nisy ihany koa ny toro-marika izay niresahana momba ny hampidirana zana-trondro tsara kalitao avy amin’ireo mpamokatra zana-trondro matihanina avy ao Manakara.     Nanentana an’Atoa Justin sy ireo tantsaha mpiompy trondro hafa ao amin’ny kaominina izy ireo mba hanaraka tsara ireo torohevitra omena ka anisan’izany ny fitazonana ny kalitaon’ny rano, ny fanaraha-maso ny sakafo ho an’ny trondro, ary ny fampiharana ireo fepetra samihafa . #MPEB #DRPEB_Fitovinagny #Asa_Manga #Toekarena_Manga #Fidinana_ifotony_Tantsoroka__Mpiompy_trondro

Fampiofanana momba ny fiompiana trondro tany Ampandratokana: Fiaraha-miasa eo amin’ny ONG TSIMOKA sy ny DRPEB Ihorombe.

Tontosa ny faha 08 Oktobra 2025 teo ny fampiofanana momba ny fiompiana trondro, izay fiaraha-miasa teo amin’ny ONG TSIMOKA sy ny Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue DRPEB Ihorombe#izay natao tao amin’ny Foiben-toerana Fanofanana Tantsaha tao Ampandratokana, Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe ity fampiofanana ity. Tantsaha miisa 39 no nanatrika sy nandray anjara tamin’izany.     Nifantoka tamin’ny lohahevitra momba ny fiompiana trondro an-tanimbary ny fampiofanana izay natolotra ireto tantsaha niatrika ny fiofanana. Ankoatra izay dia nozaraina ihany koa ireo fomba fanomanana sy ny fitantanana ny sakafon-trondro mba hiantohana ny fahombiazan’ny fiompiana. Ireo lohahevitra ireo dia nampitaina tamin’ny fomba ara-teorika ary narahina fampiharana mba hahafahan’ny mpandray anjara mampihatra avy hatrany ny fahalalana azo amin’ity seha-pihariana izay nosafinidin’izy ireo.     Ity hetsika ity dia anisan’ny ezaka lehibe hanohanana ny tantsaha ao amin’ny Faritra Ihorombe, indrindra amin’ny fanatsarana ny fiompiana trondro ho fomba iray hanamafisana ny fanjariana ara-tsakafo sy ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny ONG TSIMOKA sy ny DRPEB Ihorombe dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fifanohanana sy ny fampandrosoana maharitra. #MPEB #DRPEB_Ihorombe #ONG_TSIMOKA #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Kaominina ambanivohitra Lopary, Distrikan’i Vangaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana.

Fanentanana mikasika ny fikatonan’ny jono andranomamy.      Miovaova isam-paritra ny fotoana ikatonan’ny fotoam-panjonoana andranomamy araka ny voalazan’ny didim-pitondrana navoakan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Fitaovam-pifandraisana maro toy ny fanaovana peta-drindrina eny amin’ ireo biraom-panjakana, filazana amin’ny radio ary fanentanana eny ifotony no noentin’ny ekipa avy ao Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga DRPEB Atsimo Atsinanana # ho fanajana ny fotoana fikatonan’ny fanjonoana an-dranomamy any an-toerana mandritra ny iray volana izay hanomboka ny 15 Oktobra ka hatramin’ny 15 Novambra 2025 izay fotoana hanatodizan’ny trondro.     Tao aminy Kaominina Lopary no nanatanterahana izany ny faha 07 Oktobra 2025 teo.Tanjona ny hampitomboana ny tahirin’ny hazandrano any an-toerana sy hisitrahan’ireo mpanjono vokatra maro amin’ny fotoana isokafan’ny fanjonoana. #MPEB #DRPEB #atsimo_atsinanana #Fanentanana_ifotony #Fikatonan_ny_Jono_andranomamy #Lopary

Manatantely – Kaominina Soanierana, Distrikan’ny Tolagnaro, Faritra Anôsy : Fandraisana vonjimaika ny Zone d’Émergence Piscicole (ZEP) ao Manatantely.

Notanterahina ny 05 oktobra 2025 ny fandraisana vonjimaika ny fotodrafitrasa “Zone d’Emergence Piscicole (ZEP)” ao Manatantely izay tetikasa lehibe anankiray naorina ho fampiroboroboana ny Toekarena Manga sy hofanohanana ny ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny Faritra Anôsy.      Vita tanteraka ny asa fanorenana ity fotodrafitrasa ity ary vonona avy hatrany hiorso amin’ny asa maha ZEP azy toy ny : famokarana zana-trondro mihoatra ny 5 tapitrisa sy trondro matavy manodidina ny 10 taonina isan-taona, fampiofanana ny mponina amin’ny fiompiana trondro.      Marihina fa ity fotodrafitrasa ity dia manaraka ny fenitra tanteraka. Ahitana trano famokarana zana-trondro (écloserie), dobo fiompiana, birao fiasana sy trano fiofanana ary toerana fitehirizana rano manana hadiry 20.000m3 ary herinarantra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Hita ato ihany koa ireo fitaovana ilaina rehetra toy ny fitaovana fanaraha-maso ny rano, ny toe-piainan’ny trondro, solosaina, latabatra sy seza ary tabilao fotsy, sns. Izy ity izay iray amin’ny ZEP roa naorina aty amin’ny Faritra Anosy raha to aka ao Ivahona, Distrikan’ny Betroka ny anankiray.     Tonga teny an-toerana ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) eto Anôsy niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay nahitana ny avy amin’ny Fiangonana FLM, tomponantoka tamin’ny fanolorana toerana ary ny avy amin’ny Programa Afafi-Sud izay namatsy tamin’ny fanorenana izao fotodrafitrasa izao. #DPEB_Anôsy #ZEP #Pisciculture #FLM #AFAFISud

Kaominina Ambanivohitra Andranofasika, Distrikan’ Ambato boeny, Faritra Boeny. Fandrotsahana Zana-trondro: Fampiroboroboana ny sehatry ny Jono an-tanety.

Notanterahina ny 02 Oktobra 2025 teo tao amin’ny farihin’ Amparihilava, ao amin’ny Fkt Ambalambakisiny, Kaominina Ambanivohitra Andranofasika, Distrikan’i Ambato Boeny, ny fandrotsahana zana-trondro .Zana-trondo Tilapia tsara kalitao miisa 23 000 eo no narotsaka izay natao mba hampiroboroboana sy hanamafisana ny sehatry ny jono an-tanety, izay sehatra manan-danja satria misy olona maro mifototra amin’io asa io ho entiny miavotra sy miatrika ny fampivoarana ny fiainana andavanandro.      Ny FI.MPA.MA na ny (Fikambanan’ny Mpanjono Miray Ambalambakisiny), fikambanana avy ao an-toerana izay manjono amin’io ranovory io no nisitraka ity fanomezana zana-trondro ity ary tonga nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo tompon’andraikim-panjakana tao an-toerana ka anisan’izany ny Solombavam-bahoaka Ambatoboeny , ny Lehiben’i Distrikan’Ambato Boeny, ny Délégué d’arrondissement Andranofasika, ny Ben’ny Tanana, ny Coordinateur régional FAO ary ny Ekipa avy ao amin’ny DRPEB Boeny sy CDA .Io fiaraha-miasa io dia manamafy ny fiaraha- mientana amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga.      Marihina fa ny tetikasa LLD/FAO Biodiversité no nanao ny tansoroka nahazoana ireto zana-trondro ireto. #MPEB #DRPEB_Boeny #zana_trondro #FIMPAMA #Toekarena_Manga #LLD_FAO

Fitsidihana sy Fidinana Ifotony tao amin’ny Distrikan’i Mahajanga II, Faritra Boeny.

Tontosa ny faha-29 Septambra ka hatramin’ny faha-05 Oktobra 2025 lasa teo ny fitsidihana sy fidinana ifotony natao tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Boanamary, Kaominina Ambanivohitra Mariarano, ary Kaominina Ambanivohitra Andranoboka izay samy ao amin’ny Distrikan’i Mahajanga II, Faritra Boeny. Anisan’ny tanjona kendrena nandritra izany ny fanatsarana ny fiveloman’ny mpanjono sy ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.     Nandritra ny fitsidihana no Nampahafantarina ireo mpanjono ny fitsipika mifehy ny jono, anisan’izany ny fahazoan-dalana amin’ny fanjonoana, ny fanajana ny fotoana voarara hanaovana ny fanjonoana ary ireo karazana fitaovam-panjonoana tsy azo ampiasaina izay voararan’ny lalana. Tsy adino ihany koa ny Fampiofanana momba ny teknika vaovao sy azo antoka toy ny :     Fampiasana teknika fanjonoana amin’ny alalan’ny fampiasana ny “palangre” na palanky.     Ny fampianarana ny fomba fanodinana ireo vokatra an-dranomasina amin’ny alalan’ny teknika “fumage” (fanatsatsika), izay ahafahana manatsara ny kalitaon’ny vokatra.     Fisorohana mialoha ny loza an-dranomasina izay Nampahafantarina ny fomba famantarana mialoha ny mety ho toetry ny andro amin’ny alalan’ny “panneau SAP” (Systeme d’alerte précoce) ary ny fomba fampiasana fitaovana fiarovana toy ny “gilet de sauvetage” na ny salotra vonjy aina sy ireo fitaovana hafa hanampiana amin’ny fisorohana ny loza mety hitranga any an-dranomasina.     Miisa 398 ny mpanjono nahazo tombontsoa tamin’ity fidinana ifotony ity ary fiaraha-miasa teo amin’ny ekipa UGP sy ny DRPEB Boeny (Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue), ny filohan’ny federasionan’ny mpanjono no nahafahana nanao ny fampiofanana.     Marihina fa Ity hetsika ity dia vokatry ny fanatanterahana ny bokin’andraikitry ny orinasa mpamokatra makamba toa ny SOMAPECHE, PECHEXPORT ary REFRIGEPECHE OUEST. #MPEB #DRPEB_Boeny #RSE #SOMAPECHE #PECHEXPORT #REFRIGEPECHE_OUEST #Jono_Maharitra

Tranompokonolona Ambohitsilaozana, Distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro 𝘼𝙠𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙤𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙤𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙏𝙧𝙤𝙣𝙙𝙧𝙤.

Tontosa androany, 04 Oktobra 2025, tao amin’ny Tranompokonolona Ambohitsilaozana, distrikan’Ambatondrazaka, ny fampiofanana natokana ho an’ireo tanora sy ireo olona liana amin’ny fiompiana trondro sy ny famokarana zana-trondro.     Miisa 88 ny mpandray anjara tonga niatrika izany.Niavaka tokoa ity fiofanana ity satria ny ankamaroan’ireo mpiofana dia efa manana mari-pahaizana baccalauréat . Nandritra ny fiofanana, dia naneho ny fandraisany anjara mavitrika ny mpandray anjara rehetra tamin’ny alalan’ny fanontaniana, fifanakalozan-kevitra, ary nampiseho ny hafanam-pony sy ny fanoloran-tenany amin’ity asa ity.     Tsy mijanona eto ihany anefa ny fiaraha-miasa eo amin’ny DRPEB Alaotra Mangoro # sy ny fikambanana Ecovers izay niara nisalahy tamin’ny fampiofanana fa araka ny fantatra dia hiroso amin’ny fikarakarana hetsika isan-karazany izy ireo ka anisan’izany ny fankalazana ny Andro momba ny Jono Madinika. Ho fanampin’izay dia hanohy ny fitaizana ireo mpiara-monina izy ireo mba hirotsaka an-tsehatra amin’ny fampandrosoana.Ankoatr’izay dia nisy ireo mpandray anjara no niditra tao amin’ny vovonana Indri indri sy Aika izay fikambanana miahy sy mikajy ny Tontolo Iainana sy ny zahavoahary. #MPEB #DRPEB_Alaotra_Mangoro #Ecovers #Fiompiana_trondro #Asa_Manga #Toekarena_Manga

Fanazavana momba ny jono lamatra na thon eto amintsika sy ny manodidina ny Ranomasimbe Indianina

     Misy karazany roa ny lamatra (thon neretique izay kely kokoa sy azontsika malagasy satria mandalo @ sisin’ny morontsiraka sy thon migrateur izay misy karazany maro sy ngeza kokoa ary any amin’ny 34km any no andalovany ary tsy azontsika firy io satria sady ngeza satria misy mahatratra 700kg ny iray no mandeha mafy hatramin’ny 40km/h kanefa kosa tsy voarara isika Malagasy ny hanjono azy.)      Protocole de pêche no anaran’ilay ffifanarahana atao izay ny lalana Iraisampirenena UNCLOS no manome alalana antsika hifampiraharaha amin’ireo Firenena hafa na Orinasa any ivelany ho afaka manjono ireo thon migrateur ireo.      Tsy varotra ilay izy fa fangatahan-dalana na droit d’accès satria ressources migratrices na koa hoe harena mifindramonina ilay thon migrateur ireo. Firenena maherin’ny 30 no andalovany aty amin’ny Ranomasimbe indianina ka isan’izany i Madagasikara. 3-5 volana izy ireo no mandalo eto amintsika isan-taona raha ohatra 09 volana ao Seychelles      Miditra amin’io fifanarahana io isika satria raha tsy omentsika droit d’accès rizareo dia isika ihany no maty antoka satria jonoiny any amin’ny firenen-kafa ilay lamatra. USD394/tonne izany hoe Ar1,800/kg ilay droit d’accès ary io no isan’ny farany ambony aty Afrika. USD186/tonne ao Seychelles, USD227/tonne ao Maurice. Io no aloan’ireo Armateur na tompon-tsambo amin’i Madagasikara. Efa niakatra io satria Mbola USD114 izy ny voalomboalohan’ny taona 2021. Marihina fa ilay vidin’ny solika no tena charge fixe ambony hoan’ireo sambo ireo (manodidina ny 7.000 – 10.000 litres par jour na mihoatra akory azy).      5,4 millions de tonnes ny stock lamatra manerantany raha toa ka 1,2 millions de tonnes ny aty amin’ny ranomasimbe indianina ary 52.000 tonnes no mandalo eto Madagasikara isan-taona. 14.000 tonnes nomentsika an’ny vondrona Eropeanina, 1.500 tonnes an’ny Japan Tuna, 5.000 tonnes Interatun… 800 tonnes isan-taona no hany mba azontsika eto Madagasikara amin’ny alalan’ny REFRIGEPECHE Est.      I Japan Tuna no isan’ny accord de pêche farany tsara hatr’izay. Marihina fa renouvellement des accords de pêche avokoa no nataontsika teto Madagasikara fa tsy misy fifanarahana vaovao. Ny Vondrona Eropeanina ohatra dia efa ny taona 1986 no niatombohany. Tsy mitoka-monina raha teo i Madagasikara fa misy fifanarahana amin’ny sehatra hafa izay ifandraisana amindrizareo vahiny.      Tsy mifanena velively ireo Mpanjono vaventy lamatra izay manjono any amin’ny 34km miala ny sisindranomasina sy ireo Mpanjono madinika izay matetika latsaky ny 24km no iasany ao anatin’ilay antsoina hoe mer territoriale.      Tsy misy Sinoa manjono ny eto Madagasikara nanomboka ny taona 2021. Sambo 25 no ampiasaintsika ankehitriny iadiana amin’ny jono tsy manara-dalana na peche INN. Manana carburant tafakatra ho 1 miliara ariary isan-taona isika hampandehanana ireo sambo ireo. Izay no mahatonga an’i Madagasikara ho isan’ireo Firenena mitarika aty Afrika amin’ny ady atao amin’ny peche INN na pêche illégale. Manampy antsika amin’izany ady izany ny Masoivoho Eropeanina, Amerikanina ary Sinoa sy ireo ONG maro toy ny Global Fishing Watch.      Ny redevances izay mitentina Ar34 milliards isan-taona avy amin’ny fanjonoana vaventy dia arotsaka mivantana any amin’ny kitapom-bolam-panjakana fa tsy aty amin’ny Ministera. Ireo indray no akan’ny Fanjakana anaovana ireo Fotodrafitrasa ho fampandrosoana ny Jono amin’ny alalan’ny PIP.      Tafakatra ho 177.000 tonnes ny vokatra Jono azo ny taona 2024 raha toa ka 112.000 tonnes ny taona 2021. Niakatra ny vokatra nohon’ny fametrahana ireo paikady maro (réserves marines, aires marines protégées, LMMA, TGRH sns). Tafakatra ihany koa mihoatry ny 07kg isam-batan’olona isan-taona kosa ny fihinana trondro eto amintsika raha toa ka 4,26kg izany ny taona 2021.      NB : ny baleines, ny dauphins sns dia tsy harena jonoina izany hoe tsy ressources halieutiques satria tsy trondro izy ireo fa mammifères marins na biby miteraka sy mampinono andranomasina ka tsy ny Ministeran’ny peche no mitantana azy fa ny Ministeran’ny Tontolo iainana satria dia biby arovana manerantany izy ireo. Fehiny : isika Malagasy ihany no maty antoka raha tsy miditra amin’ny accord de pêche satria ireo Firenena manodidina antsika dia manao izany avokoa satria lalana Iraisampirenena no mametraka izany. Mahay zavatra ihany koa ilay Zanahary satria tsy nataony mandalo akaiky ny sisindranomasina ireo lamatra mpifindra monina ireo satria mihinana trondro 30% ny havesany isan’andro (ces thons migrateurs consomment du poisson 30% de leur poids par jour – izany hoe raha 100kg izy dia trondro madinika 33kg isanandro no haniny ka izay no mahatonga azy ireo hifindra monina lava).      NB : tsy ny Ministeran’ny Jono no miaro sy miambina ny sisindranomasina fa ny Marine Nationale izay eo ambanin’ny Minisiteran’ny Foloalindrahy izay tena isaorana manokana amin’ny fiarahamiasa hatr’izay. Misaotra namaky Tompoko, Ampanajana,   Dr. MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert